Ahoana ny fiasan'ny app Misy
Ahafahanao mifandray mivantana amin'ny mpamily akaiky indrindra ny fampiasana ny app Misy amin'ny finday. Mba hampiasanao azy dia mila manome alalana sy misoratra anarana amin'ny laharan-telefaonina ianao. Araho ireto dingana manaraka ireto mba hahafantaranao ny fomba fisoratana anarana sy ny fomba hanaovana ny course voalohany
Fisoratana anarana ao amin'ny application Misy
1 - Fanomezana alalana ny notification
Tsindrio ny « Autoriser »
2 - Manaiky ny fanangonana angona
Tsindrio ny « Accepter »
3 - Fanomezana alalana ny GPS
Tsindrio ny « Lorsque vous utilisez l'appli »
4 - Alefaso ny app
Tsindrio ny « Lasa! »
5 - Hisoratra anarana
Tsindrio ny Facebook Google na « Créer un compte »
6 - Fisoratana anarana
Ampidiro ny tsipiriany rehetra angatahina
Fakana course amin'i Misy
Étape 1
Tsindrio ny « Ho aiza ? »
Étape 2
Apetraky ny App avy hatrany ny toerana hakana izay misy anao na ampidiro ny adiresy hakana raha toerana hafa.
Soraty eo amin'ny "Ho aiza?"ny adiresin'ny toerana hanaterana.
Étape 3 - Mitady ny toerana hatongavana
Antsoratra:
Afaka karohina avy hatrany amin'ny fampiasana Google Maps. Tsindrio eo amin'ny fikarohana (1), soraty ny adiresy (2) ary fidio eo amin'ny lisitra ny adiresy (3)
Étape 3 -
Aminy fampiasana ny fanondroana eo amin'ny saritany:
a. Tsindrio ny « Ametraka toerana eo amin'ny saritany »
Étape 3 -
b. Ahisano ny saritany eo amin'ny ecran, alebiazo na akelezo ny saritany mba hametrahana ny fanondroana eo amin'izay toerana haleha, tsindrio avy eo ny « Manamafy »
Étape 3 -
Fampidirana ny toerana misy anao :
Tsindrio ny « Misy ahy » (1) dia avy eo tsindrio ny « Manamafy ny haleha » (2)
Étape 4 - Mifidy sokajy fiara
Tsindrio ny sokajy nofodiana (1) avy eo tsindrio ny « Safidy» (2)
Étape 5 - Misafidy ny fandoavana ny sarany
Tsindio ny fomba fandoavam-bola nosafidiana(1) avy eo tsindrio ny « Manaraka » (2)
Étape 6
Tsindrio ny « Manamafy » mba hanamafisana ny adiresy hakana
Mitady izay mpamily manodidina sy akaiky ny misy anao ny application
Afaka foananao ny fangatahana course, amin'izany tsindrio ny « Hanafoana course »
Fizotran'ny course
1.Efa an-dalana haka anao eny amin'ny toerana hakana ny fiara. Misoratra eo amin'ny ecran hoe afaka hafiriana izy no ho tonga.
2.Rehefa tonga ny fiara, hanontanio ny anaran'ny mpamily ary jereo raha ny nomerao nisoratra no tonga vao miditra ianao.
3.Rehefa manomboka ny course dia misoratra avy hatrany ny ora hatongavana sy ny lalana haleha mba hanarahanao ny course
Étape 7 - Fandoavana ny sarany
Raha vao tonga eny amin'izay naleha ianao dia misoratra eo amin'ny ecran ny vola aloanao arakaraky ny fomba fandoavana course nosafidianao.
Étape 8 - Fanomezana naoty ny course
Rehefa vita soa aman-tsara ny course dia afaka manome naoty (1) sy fanamarihana ho an'nny mpamily (2) ianao. Tsindrio ny « Mandefa » mba hanamafisana azy.